Ady amin’ny VIH/Sida : mila averina ny fanabeazana ara-pananahana eny an-tsekoly

Mihatanora ireo olona mi­ton­dra ny tsimokaretina VIH/ Sida amin’izao fotoana. Nivoi­tra izany nandritra ny fifampizarana nataon’ireo mpiantsehatra, omaly, ary nohamafisin’ny ONG Réseau Mad Aids.
Tokony haverina ny fanabeazana ara-pananahana ho an’ny tanora any an-tsekoly ha­mantarany ny fiarovan-tena sy ny tokony hataony manoloana ny fiparitahan’ny valanaretina VIH/Sida. Mila omena fahalalana amin’ny antsipirihany ny mpi­anatra, ny tanora, mba hiaro tena manoloana ny loza mitatao. Tsy sangisangy velively ny fisian’ny aretina fa tena misy ary manaporofo izany ny Mad Aids izay tarihin’ny filoha nasionalinyy Marie Isabelle. 20 000 eo ireo olona mitondra ny tsimokaretina amin’izao fotoana ary efa manaraka fitsaboana. Heverina ho 74 000 anefa no mitondra izany ka minia tsy manaraka fitsaboana ny sasany, ny hafa kosa tsy mahalala ny toe-pahasalamany akory ka loza mitatao ho an’ny rehetra izy ireny.
Manaitra ny tsirairay handray an-tanana amin’ny ady amin’ity areti-mandoza ity ny Mad Aids. Mila mifantoka amin’ ny fiarovana ny tanora amin’ny fanabeazana ho fiarovana azy ireo, ny fanentanana hahafantarany ny zava-misy, sy hitandremany ihany koa, satria izy ireo no tena lasibatra amin’izao.
Tetsy andaniny, nilaza ny mpisolovava ny tanora ao amin’ny SADC, Antsaniavo Nato­lon­tsoa, fa maro ny ady sisika atao ao anatin’ny SADC satria tanora ny 60% ny Malagasy. Vaindohan-draharaha ny ady amin’ny fiparitahan’ny VIH/ Sida. Vonona ny tanora hanentana sy hitsangana hiaro ny tanora namany.

Tatiana A

Partager sur: