Nanome vary ny fanjakana malagasy, amin’ny alalan’ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam), ny governemanta sinoa, ny faran’ny herinandro teo, Tany Toliara. Ahazoana manohana ara-tsakafo fianakaviana marefo maro mandritra ny telo volana ny fanampiana azo. Nanolotra vary ihany koa ny Koreanina Tatsimo, mba hahafahan’ny Pam manohy ny asa ao anatin’ny fotoan’ny maitsoahitra.
Vinavinaina hitoetra hatrany ny oram-baratra any amin’ny faritra andrefana sy atsimon’ny Nosy. Tombanana hiverina ihany koa ny oram-baratra ho an’ny afovoantany sy ny faritra atsinanan’ny Nosy, manomboka ny zoma ho avy izao. Mety hanantombo kokoa ny habetsahan’ny rotsakorana amin’ny toerana sasany, indrindra ho an’ Analamanga sy Vatovavy ary ny tapany atsimon’Alaotra Mangoro.
Vehivavy tanora miisa 13 no nandray anjara tamin’ny atrikasa EmpowerHer 2.0, naharitra dimy andro ary notolorana mari-pankasitrahana noho ny fandraisana anjara mavitrika. Niompana tamin’ny lohahevitra maro, toy ny fitovian-jo, ny fampahaleovantena ny vehivavy sy ny ankizivavy, ny andraikitra sy ny maha zava-dehibe ny vehivavy mpitarika, ary ireo paikady fanaovana ady sisika sy fitondrana fanovana no niofanana.
Anisan’ny mpisehatra miady amin’ny fiparitahan’ny VIH/Sida ihany koa ny mpitondra fivavahana. Ankoatra ny fanentanana amin’ny fiarovan-tena dia miaro amin’ny fanilikilihana ihany koa izy ireo mba hampahomby ny fitsaboan-tena sy mampahery ireo efa tsy maintsy mihinam-panafody isan’andro.