Araka ny voalazan’ny loharanom-baovao iray, omaly, fantatra izao fa klioba telo no tsy mbola naneho ny fahavononany hifaninana amin’ity fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”, taranja baolina kitra ity. Anisan’izany ny ASA Diana, sy ny FC Theo ary ny 3FB Toliara. Raha ny fanazavana azo, efa dila ny fotoana tokony handoavan’izy ireo ny saram-pisoratana anarana.
Tsy mbola voafaritra mazava aloha ny antony tsy hanaovan’izy ireo izany. Ankoatra izay, raha tsy misy indray ny fiovana farany, hotontosaina ny faran’ny herinandro ho avy io, eto Antananarivo, ny andro voalohan’ny fifaninanam-pirenena “Pureplay Football League (PFL)”. Fifanandrinana efatra no handeha amin’io fotoana io, ka ny telo avy amin’ny kaonferansy afovoany ary ny iray avy ao atsimo. Tsara ny mampahafantatra fa ny ekipa tompondaka farany, Disciples FC Vakinankaratra, mbola mifanintsana amin’ity taom-pilalaovana 2025 ny PFL ity, ary ny AS Fanalamanga no hifandona amin’ izy ireo ny alahady ho avy izao.
Fitia Randria