Muay Thai Tournament : nangotraka ny katrok’ady

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, teny amin’ny Henri Fraise Ankoron­drano, ny fifaninanana “Muay Thaï Tournament”.Nangotraka ny katrok’ady teny an-toerana, nanomboka teo amin’ny sokajy -30kg hatramin’ny 100kg.

Ady anisan’ny nandrasan’ ny maro ny fifandonana teo amin’ ny Nounours (GISL) sy i Panda (Dam)/ sokajy 100kg. Ni­voaka ho mpandresy, ta­min’ny KO, i Nounours Rudy, nanoloana an’i Panda. Nafana ihany koa ny fihaonana teo amin’ny sokajy vehivavy, izay nifandonan’i Miora (GISL) Sy i Panda (Dam), ka nivoaka mpandresy ity farany. Nano­katra ny fifaninanana, ny ady teo amin’ny -30 kg, izay nahazoan’i Stephiah( Cospn) fandresena nanoloana an’i Men­drika (GISL). Nambaran’ny Tale teknika nasionaly, Razanjatovo Gildas, fa ambony haavo ny teknikan’ny mpikatroka ary tena nanomana ny mpandray anjara. Porofon’ izany ny ady teo amin’i Miora (GISL) sy Panda (Dam) izay tena nangotraka tokoa.
Mbola maro ny fandaharam-potoan’ ny federasiona amin’ny taona ho avy, araka ny nambaran’ny filohan’ny Federasiona mala­gasin’ny Muay Thai, Rako­to­alizao Hainatia Gervais, fa hiezaka ny hampiakatra hatrany ny lentan’ny fifaninanana, na ny nasionaly izany na ny iraisam-pirenena.

Mi.Raz

Vokatra

-30kg: 1-Stephiah (COSPN) 2- Mendrika (GISL)
40kg: 1-Johary (GISL) 2- Daniel (GLMTA)
-45kg: 1- Teddy (Centre) 2- Tiavina (COSPN)
-51kg: 1-Olivier (GLMTA) 2- Tsila (COSPN )
-57kg: 1-Ntsoa (Aigle )2- Rico (Centre)
-60 kg: 1- Tselany (Prestige Tamatave) 2-Angelo (Tournament)
60Kg: COSPN.
-63kg500: 1-Tandrify (Centre) 2- Trancois (GISL)
-63kg 500 (V): 1- Panda (DAM) 2-Miora (GISL)
-71Kg: 1-Christophe (Aigle) 2- Loanne (Prestige) Tamatave
Classe B
-71kg: Mino (GISL)2- Toky (GLMTA)
-85kg: 1- Remy (GISL)2- Stephane (GISL )
-85kg:1- Bolo (GISL)2- Dibala (Tamatave Prestige)
100kg:Poids Lourds 1- Nounours Rudy (GISL)2- Panda (PAM)

Partager sur: