Samy nampita hafatra amin’izao taona vaovao izao ny kardinaly Tsarahazana Desiré sy ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Nanamafy izany koa ny eo anivon’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nahitsy sy hentitra avokoa ny nambaran’izy ireo.
Navoitran’ny hafatry ny kardinaly, tamin’izany fa tsy afa-bela ary tompon’andraikitra mivantana na ankolaka amin’ny manjo ny firenena ny kristianina. “Fomba ety ivelany ny maha kristianina fa ny andavandro tsy manome voninahitra an’Andriamanitra. Miha maro ny isan’ny kristianina ary mitombo ny isan’ny fiangonana nefa mihanaka ny ratsy”, hoy izy. Notanisainy ny famonoana olona, ny kolikoly, ny halatra, ny fisolokiana sy ny lainga, famitahana vahoaka. Eo koa ny fanodinkodinana ny fananam-panjakana ho tombontsoa manokana. Ny fanondranana an-tsokosoko ny harem- pirenena. Ny herisetra samihafa… “Maro ny kristianina anisan’ny tompon’antoka amin’ireny na ao ambadiky izany rehetra izany. Tena mifanipaka amin’ny soatoavina sy ny finoana an’i Jesoa izany”, hoy izy.
Fidangan’ny vidim-piainanana
Maniry ny tenany mba hananantsika fiadanana. Tsy ho tonga anefa izany raha tsy misy sakafo ny maro noho ny fidangan’ny vidim-piainana. Ireo tsy manan-kialofana noho ny halatra tany. Tsy hita ny marina sy ny rariny ary ny hitsiny. “Tsy ho tonga ny fiadanana raha tsy hanasoavana ny maro ny fananam-bahoaka sy ny harem-pirenena ary ny soa iombonana. Tsy ho tonga ny fiadanana raha ripaka ny ala”, hoy izy. Niantso finiavana sy fitiavana ary fampanjakana ny fiadanana miainga amin’ny tsirairay ny kardinaly tamin’ny hafany.
Nanamafy izany ny hafatry ny arsevekan’Antananarivo, ny Mgr Razanakolona Odon. Nanteriny fa tsy fanadino ny lasa afahana manitsy ny dia. Notsiahiviny fa tsy azo lavina ny zava-niseho na teo aza ny hetsika sy fanentanana ny rehetra hiasa sy handray andraikitra. Anisan’ny nasongadiny ny tsy fandriampahalemana. “Aiza ny mpitandro filaminana sa lehibe ny asa atrehina ? Mankahery anareo na izany aza. Kitro ifaharan’ny filaminana ny fitsarana ary natao hitsikitsika ivavahana nefa nivadika zavatra hafa izany”, hoy izy.
Mpitantana mahay sy marina ary vonona
Niaiky ny tenany fa mandalo fotoan-tsarotra ny firenena nefa manana ireo manampahaizana isika. “Rahoviana vao hisy olona mahay mitantana sy tsy tia tena ary vonona hanompo tanindrazana ka hanao ny marina ?”, hoy ny fanontaniany.
Natsidiny fa hiatrika fifidianana isika. Anisan’ny antoky ny fandriampahalemana ny fahatontosan’izany ho madio sy mangaraharaha.
Niantsoany ny rehetra izany handala ny soatoavina manaja ny aina sy ny ny fampanjakana ny fahendrena, ny fahamarinana ka itandroana ny soa iombonana ho an’ny taranaka.
Nanamafy ny famonjena entin’ny Noely kosa ny filohan’ny FFKM, ny Mgr Ranarivelo Samoela Jaona. Nanteriny fa tsy miova ny fitiavan’Andriamanitra. “Misy ny fanantenana ary velona izany miaraka amin’ilay fahazavana nambaran’ny anjely”, hoy izy.
Synèse R.