“Ao anatin’ny fitoniana sy fahatoniana no ahazoantsika miatrika ny fiainam-pirenena. Vita hatreo ny amin’ny fitsipaham-pitokisana ny governemanta. Ny hoe misy fiantraikany na tsia: natao hakana lesona ireny raharaha ireny. Inona ny lesona tokony horaisin’ny solombavambahoaka sy ny mpanatanteraka?” , hoy ny depiote voafidy tany Sakaraha tamin’ny anaran’ny IRD, Razakandrainy Henri Dominique.
Ny miantso fitoniana toy ny nataon’ny filohan’ny Antenimierampirenena no zava-dehibe. Hiditra amin’ny taona vaovao hiatrehana fifidianana. Ny foto-kevitra iraisan’ny depiote mpanohana ny fitondrana, efa nisy antso avo nataon’ny filohan’ny Antenimiera ho amin’ny fitoniana. Tokony ho tony isika, tokony handinika sy hieritreritra lalina.
Ny fanohanana ny filohan’ny Repoblika kosa no foto-kevitra ijoroana mba hahazoana manohy sy manatanteraka an’ireo tetikasa marobe volavolaina hampandrosoana ny firenena. Tsara tadidin’ny vahoaka sy ny mpanao politika fa tetibola fanampiana avy any ivelany avokoa ny 70% amin’ny vola ampiasaina eto. Raha tsy misy ny fahamarinan-toerana, tsy afa-miantoka amin’ny fanomezana vola ireo mpiara-miombon’antoka any avy any ivelany.
R. Nd.