Finoana katolika : halevina amin’ny alakamisy ny papa Benoît XVI

Halevina ny alakamisy izao ny papa Benoît faha-16, araka ny fandaharam-potoana eo anivon’ny fiketrahana Ma­sina, any Vatikana. Nindao­sin’ny fahafatesana, teo amin’ny faha-95 taona, ny asabotsy 31 desambra teo tamin’ny 9 ora34min, ora any Vatikana izy.
Tsiahivina fa voafidy ho papa ny tenany ny 19 avrily 2005, rehefa nodimandry ny papa Joany Paoly II, anisan’ny efa niara-niasa taminy ihany. Nisafidy ny anarana Benoît XVI amin’ny maha papa azy izy nanomboka teo. Nisafidy ny hisotro ronono ny tenany ny taona 2013 ary nitsahatra amin’ny asa maha papa azy, ka nipetraka tao amin’ny “Monastère Mater Ecclesiae”, any Vatikana ihany.
Nandimby azy avy eo ny papa François, amperinasa amin’izao fotoana izao.
Hafindra ao amin’ny “Ba­silique Saint-Pierre” ny vatana mangatsiaka anio ary hitondrana am-bavaka azy. Azon’ny rehetra atrehina sy hanomezam-boninahitra azy izany.
Tsiahivina fa teraka ny 16 avrily 1927 tany Marktl, Ale­mana i Joseph Aloisius Rat­zinger na ny papa Benoît XVI.

Synèse R.

Partager sur: