“Ny mpanjanatany no tompon’andraikitra amin’ny fahantrana misy eto”, hoy ny mpitarika ny hetsika Dinika ho fanavotam-pirenena (DFP), Ratolojanahary Maharavo. Voafatotra ka tsy mahazo ny ataon’ny filohan’ny Repoblika ny vahoaka, manome tsiny avokoa. Izay no zava-misy amin’izao. Izay no itenenany, na fantany aza fa tsy rariny izany.
Nahatonga azy niampanga ny IRD izany ny oktobra teo, fa mialokaloka amin’izany avokoa ireo rehetra ireo. Nampangainy tamin’ny farany teo hoe: aza mba manome tsiny ny filohan’ny Repoblika irery amin’ny fahantrana, fa ny rafitra misy eto no mampahantra antsika. Fa rahom-bava no nahazo azy, fandrahonana ho faty. “Nangina aho aloha”, hoy izy.
Iza moa no tsy mahalala amin’ny ataon’ireo zanaka an-tranon’ny Frantsay fa lasany avokoa ny vola sy ny fahefana eto ? Ny fampiasana ny fiandrianam-pirenena no tsy misy eto amintsika. Tsy misy manana sy mampiasa fiandrianam-pirenena izany eto.
Voafatotry ny jeo-politika ny zava-misy
“Voafatotry ny toe-draharaha jeo-politika misy manerana an’izao tontolo izao ny raharaham-pirenena misy eto amintsika”, hoy ihany izy. Io ady any Ukraine io izany, ary mbola hofaritan’ny hiafaran’izany ny toe-draharaha misy eto. Raha resin’i Ukraine, na misy aza ny fifampidinihana: malemy ny Frantsay, afaka mametraka ny fepetrany i Madagasikara.
Ny olantsika dia ny vola hiditra any am-paosiny anio ihany. Mahita izy fa lehibe ny fanapahan-kevitry ny filohan’ny Repoblika manoloana ny ady any Ukraine, mitaha amin’io toe-draharaha jeo-politika io. Efa te hiala amin’ny vahohon’ny tandrefana ny filoha, fa tsy sahy miteny fa mbola mafy ny takaitra navelan’ny mpanjanantany frantsay.
R. Nd.