Tontolon’ny ankizy amin’ny taona 2050 : miankina amin’ny fanapahan-kevitra raisina

Nanao tombana momba ny tontolo hovantanin’ny an­kizy amin’ny taona 2050 ny Unicef miainga amin’ny fototra siantifika sy ny zava-misy amin’ izao fotoana izao. Fironana telo lehibe no hamaritra ny hoa­vin’ny zaza maneran-tany : ny fitomboan’ny isan’izy ireo, ny krizin’ny fiovan’ny toetr’ andro ary ny firoboroboan’ny teknolojia arakajy mirindra, hoy ny solontenan’ny Unicef eto Ma­dagaskara, Christine Jaulmes, omaly, teny Alarobia.
Amin’ny taona 2050, ha­hatratra 2,3 miliara ny isan’ ny ankizy ary ireo monina aty amin’ny firenena 28 manana toekarena tena marefo ny iray ampahefatra amin’ireo. Aty amin’ny firenena afrikanina ny ankamaroany ary tafiditra ao i Madagasikara. Hitombo valo avo heny ny ankizy hizaka ny voka-dratsin’ny fiakaran’ ny maripana raha mitaha ny taona 2000. Farany, vao hihamafy ny tsy fitoviana eo amin’ ny renivohitra sy ny tontolo ambanivohitra amin’ny fahazoan’ny ankizy mikirakira ny teknolojia vaovao, izay ilaina amin’ny sehatra maro raha voafehy ny fampiasana azy.
Tsy hahatongavana amin’ izay tombana izay, ilaina ny mandray fanapahan-kevitra dieny izao sy manao ny asa rehetra mifandraika amin’izay. Tanjona ny hanova ny zava-misy amin’izao fotoana izao. Ho an’i Madagasikara manokana, mila hamafisina ny fahazoan’ny ankizy fanabeazana tsara kalitao, fahasa­lamana sahaza ary sakafo mahave­lona azy. Satria andalovan’ny rivodoza isan-taona eto amin­tsika, tokony hatao hahazaka izany ny fotodrafitrasa toy ny sekoly, toeram-pitsaboana.

Vonjy

Partager sur: