INDRAY MIJERY

Nanao tomban’ezaka ny tetikasa « Fafy 2 » na fanjarian-tsakafo sy fahasalamana ifotony, andiany faharoa, ny faritra Anôsy miaraka amin’ny minisiteran’ny Faha­salamam-bahoaka, ny UCP, ny ONN…Terikasa entina hanatsarana sy hanaraha-maso ny fahasalaman’ ny reny sy ny zaza latsaky ny 5 taona eo amin’ny sehatry ny fanjarian-tsakafo izay miantoka ny fitomboany.
Tontosa ny atrikasa fifampizarana ny valin’ireo fanadihadiana ifotony mahakasika ny rafi-panovana ny fandaharam-pianarana sy ny fiteny eto Madagasikara. Tanjona ny hanatsarana ny fomba fampitana ny fampianarana amin’ny alalan’ny teny ampiasaina ahatonga ny lesona hipaka kokoa any amin’ny mpianatra tsirairay avy.
Toerana 10 eto Madagasikara no efa ahitana ny Prep, izay fanafody hohanin’ny olona salama kanefa manambady olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida. Anisan’ny manana izany ny foibe ivezivezen’ireo LGBT, misy koa any Fort Dauphin, Toliara…Lohahevitry ny Andro iraisam-pirenena iadiana amin’ny Sida ny hoe, « Andao omena lanja ny zon’olombelona ».
Anisan’ireo sokajin’olona ambony ny tahan’ny mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida dia ireo mpivarotena, ireo lehilahy miray ara-nofo amin’ny lehilahy ary ireo mpitsindrona zava-mahadomelina. Mila hamafisina ny fanentanana amin’izy ireo mba tsy hanaparitaka amin’ny manodidina.

Partager sur: