Tafika an-tanety : fiofanana momba ny fananganana vina

Notanterahina tao amin’ny ivontoerana fampiofanana ho an’ny asa famonjena mano­kana ao Barikadimy Toama­sina, ny zoma sy sabotsy teo, ny fiofanana momba ny fananganana vina ny asa sy tombana ho amin’ny taona manaraka. Miisa 30 ireo manambonina­hitra nanaraka ny fiofanana, nahitana ny avy ao amin’ny brigade infanterie Atsinanana, Bataillon infanterie Ambaton­drazaka sy Toamasina. Nano­katra izany tamin’ny fomba ofisialy ny lehiben’ny Etamazao-ron’ny Tafika an-tanety, ny Jly Rakotoson Jocelyn, ny jene­raly misahana ny fitantanana olombelona eo anivon’ity etamazaoro ity sy ny lefitry ny kaomandin’ny brigade d’infanterie Atsinanana ary ireo manamboninahitra ao an-toerana. Tanjona ny hampito­viana sy hananana lasitra iray ho fananganana ny vina ny asa sy tombana amin’ny taona manaraka ary mba hampitovy ny fomba fijery iraisana eo anivon’ny ratsamangaika eo amin’ny Etamazao­ron’ny Tafika an-tanety. Mari­hina fa fanombohana ihany ny tao Toamasina fa hitohy mane­rana ny Nosy izany.

 

J.C

Partager sur: