Isa 4,5/11 no azon’i Tsinjoviniavo Aina Mahasambatra, nandritra ny fiadiana ny tompondaka maneran-tany, sokajy Cadets, taranja Échecs. Fifaninanana izay natao tany Italie. Nisaotra izay rehetra nanampy azy i Aina, indrindra ny Tale Jeneraly Rakotozafy Rosa, izay reny mpiahy azy.
Nisy ny fiofanana mahakasika ny Beach Volley notarihan’ny CAVB (Confédération Africaine de Volley ball) any Mahajanga, mialoha ny hiatrehana ny fifaninanana Beach Volley Zone 7, hatao ny faran’ny herinandro izao. Ny manam-pahaizana, Hassan Outidrinine no mizara ny traikefany amin’izany.
Hotanterahina ny 7 sy 8 desambra izao, ny fiadiana ny tompondakan’i Madagasikara, taranja Échecs, ho an’ny sokajy vehivavy sy Vétérans. Fifaninanana hamaranana ny taom-pikatrohana 2024 ity ary ho hampahafantarina miandalana ny toerana hanaovana izany.
Anaty fiomanana tanteraka ny ekipa malagasy hiatrika ny ady “Saint Paul Fight Night”, taranja kick boxing. Fifaninanana izay hatao any La Réunion ny 14 desambra izao. Anisan’ny hifanandrina, i Lucie Zuderze (REU) sy Rasoarinoro Marie Madeleine (MAD).