Tafapetraka ny alatsinainy teo ny vato fototry ny tambohon’ny akany fitaizana ireo zaza kambotin’ny Tafika Malagasy eny Antsahasoa Pagode, hanabeazana ireo zanaky ny miaramila lavo am-perinasa. Nametraka ny vato fototra ny minisitry ny Foloalindahy (MFA), ny Jly Sahivelo Lala Monja Delphin, niaraka tamin’ny lehiben’ireo Etamazaoron’ireo Tafika, ny Jly Deramasinjaka Manantsoa Rakotoarivelo. Nambaran’ny MFA fa manana adidy amin’ny fiahiana ireo zaza ireo ny ambaratongam-pahefana rehetra eo anivon’ny Tafika Malagasy ka entanina ny rehetra hifanome tanana sy hiara-hisalahy amin’ny fanatanterahana hatramin’ny farany ity fotodrafitrasa lehibe ity. Fotoam-pivavahana no nanombohana ny fotoana narahin’ny fametrahana ny vato fototra ka niafara tamin’ny fanolorana boky fianarana ho an’ireo mpianatra. Ny andiany faha-11 an’ireo mpiofana ao amin’ny fitantanan-draharaha eo anivon’ny Tafika na ny Administration des corps de troupes no nanolotra ireto boky ho an’ireo mpianatra. Marihina fa mirefy eo amin’ny 250 metatra sy haavo 2,5 metatra ity tamboho ity. Biriky miisa 70 000 eo no ilaina ahafahana mahavita izany. «Zava- dehibe ho an’ny akany ny fahavitan’ity fefy ity satria manampy ireo mpanabe amin’ ny fitandroana ny filaminana sady fiarovana ireo ankizy tezaina ao izany», hoy hatrany ny MFA.
Jean Claude