Nanamarika ny “Thanksgiving” ny masoivoho amerikanina, niaraka tamin’ireo mpiara-miasa anatiny sy ivelan’ny masoivoho, omaly, tetsy Andranomena. Anisan’ny fety lehibe indrindra any Etazonia ny “Thanksgiving” satria tsy manavaka fiaviana na finoana… fa ny Amerikanina rehetra no miara-mankalaza izany.
Raha ny soatoavina dia fotoana fanomezana fisaorana sy fankasitrahana ny namana sy havana….Tsy hadino ihany koa ireo olona sahirana sy ireo zokiolona mahatsiaro ho ankilabao hanehoana fitiavana sy ifampizarana, hahatsapany fa mbola misy mahatsiaro izy ireo.
Mifanotrona sy mifanampy ary mifanohana ny rehetra rehefa “Thanksgiving” ary mifamangy sy mifanatona mihitsy na mifanalavitra amina firenena aza.
Niara-nankafy ny nahandro amerikanina fandroso rehefa vanim-potoana toy izao ireo mpiara-miasa, tetsy amin’ny masoivoho amerikanina. Anisan’izany ny vorontsiloza, ny mofomamy vita amin’ny voatavo izay sakafo tsy maintsy hita mandritra ny fihaonana…
Tatiana A