Mahazo vahana amin’izao fotoana izao ny fampivoarana ny maha olona ary misy lafiny maro azony idirana eo amin’ny fiainan’ny tsirairay. « Andraikitra fa tsy asa ny Coach amin’ny fampivoarana ny maha olona », hoy Rafaniriantsoa Nomenjanahary Aimé Elia. Nanomboka ny taona 2018 izy no nisahana io andraikitra io. Mizara ny andinindiny izy.
Gazety Taratra(+) : Inona ny andraikitry ny Coach amin’ny fampivoarana ny maha olona?
Rafaniriantsoa Aimé Elia(-): Manova toe-piainan’olona iray mankany amin’ny fivoaram-piainana tsara kokoa amin’ny sehatra fihariana, toe-tsaina… Ilaina ny manana Coach rehefa mahatsapa tena ny olona iray fa te hiroso amin’ny fanovam-piainana fa tsy vitany irery izany satria tsy fantany ny dingana rehetra tokony harahina.
(+) :Misy dingana firy no arahina?
(-):Voalohany ny fametrahana tanjona voafaritra anaty fotoana. Tanjona fohy ezaka, lavitra ezaka. Sarobidy ny fotoana amin’ny fampivoaram-piainana ka tanjona fohy ezaka ny fandaminana ny tontolo andro. Faharoa ny fandraisana fanapahan-kevitra hiroso amin’ny fivoaram-piainana. Raha vonona izy dia efa dingana iray sahady no vita. Fahatelo ny fihafiana (sacrifice) takina amin’ny firosoana satria tsy mora ny miala amin’ny fahazarana raha vonona hiova tokoa. Mitaky fanetren-tena lehibe avy amin’ilay olona izany. Fahefatra, mila mifanaraka amin’ny tanjona napetraka ny ezaka atao isan’andro. Farany, arakaraka ny hirosoana lalindalina kokoa amin’ny fivoarana kendrena no tsara hifaneraserana sy hanatonana olona efa za-draharaha eo amin’ilay tontolo tiana hidirana. Eo no miditra an-tsehatra ny Coach mifanandrify amin’ny tanjona.
(+) :Nanaraka fiofanana manokana ve ny andraikitra maha Coach amin’ny fampivoarana ny maha olona?
(-):Mpampianatra amin’ny sehatry ny haiady aho izay namolavola toe-tsaina sy vatana nahafahana nivoatra tamin’ny sehatra maro ary nanefy teny am-piandohana. Nandritra ny fihibohana, niofana en ligne momba ny fampivoarana ny maha olona niaraka amin’ny Tony Robbins (Amerikanina) sy Max Piccinini (Frantsay) izay nampita fahalalana betsaka. Mitohy hatrany ny fianarana satria ny fiainana dia fianarana hatramin’izao.
(+) :Manomboka izao, hiara-hiasa ianao sy Rasoanindrina Margeurite, mpanorina ny sekolin’ny ray aman-dreny.
(-):Manana tanjona iraisana izahay hitondra fivoarana eo amin’ny fiainan’ny olona. Manomboka eo amin’ny toe-tsaina, ny fitantanana vola ao an-tokantrano, lafiny fifandraisana amin’ny hafa. Hiara-kiasa izahay ho tena ray aman-dreny hitondra fivoarana eo anivon’ny ankohonana satria io no sekoly voalohany sady fototry ny firenena.
(+) : Ny antoka hampahomby ny fivoaram-piainana?
(-): Mila manana tanjona miaraka amin’ny fitsipi-pifehezan-tena ary arahana asa ny tanjona hitondra amin’ny fivoaram-piainana kendrena. Arakaraka ny filana fa tsy voafetran’ny fotoana ny fitarihan’ny Coach ilay olona ho tonga amin’ny fivoaram-piainana.
Vonjy