Tonga maro ny olona manao tolo-tanana hanampiana ny akany Sejafa ao Farafangana, izay miahy ihany koa ny ankizy manana toetena varira. Nitondra ny anjara birikiny ny fanjakana.
Nanohina ny antson’ny fikambanan’ny olona manana toetena varira, tetsy Anosy, ny fitondram-panjakana notarihin’ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, sy ny governoran’ny faritra Analamanga, Rasoamaromaka Hery, ny alakamisy teo.
Nanao tantsoroka ireo zaza beazina ao amin’ny akany Sejafa ao Farafangana izy ireo ary nitondra fampaherezana. Nanazava ny fiheveran-diso mahakasika ny olona manana toetena varira ihany koa ka mahatonga azy ireo hisy haka an-keriny na hamono amin’ny fomba feno habibiana mihitsy.
Nitondra vary 10 gony ary vola roa hetsy sy iray tapitrisa Ariary ho fandraisana anjara amin’ny fanampiana ireo ankizy ao amin’ity akany ity ny fitondram-panjakana. Ireo tanora ao anatin’ny tontolon’ny asa dia ampirisihana hanana tetikasa hahafahana mifanampy iatrehana ny fiainana, mba hanana velon-tena. Maniry ny hisian’ny fangaraharana amin’ny fitantanana ny fanampiana ho an’ireo olona varira anaty akany ny fanjakana.
Tsy kilema fa toetena ny maha varira. Toy ny olon-drehetra izy ireo ka mendrika ny ho arovana sy hiaina am-pilaminana toy ny rehetra.
Marihina fa ireo zaza sy ankizy varira any amin’ny fiarahamonina no hatoby ao amin’ny foibe fitaizana ankizy manana fahasembanana ao an-toerana ka anaovana tolo-tanana hahafahan’izy ireo mivelona ao anatin’ny foibem-pitaizana. Miaro ny ain’izy ireo amin’ny mpaka an-keriny ihany koa ny fipetrahany ao amin’ny akany.
Iombonana ny politika iarovana sy hanampiana ireo olona manana toetena varira. “Anjaran’ny rehetra no miezaka mifanentana manala ny finoanoam-poana amin’ny fiheverana fa manana hery miafina ny varira ka atao lasibatra”, hoy ny minisitry ny Mponina sy ny firaisankina.
Tatiana A