Port-Berge: mila vahaolana ny herinaratra

Nitondra ny fitarainan’ny mponina any Port-Bergé vokatry ny fahatapahan’ny jiro izay mamotika ny fiainam-bahoaka any an-toerana ny solombavambahoaka Rabeamina Olivier. Efa tena antitra ny milina ampiasain’ny Jirama ka tsy maharaka ny famatsiana ny herinaratra sy ny rano fisotro madio ho an’ny tanàna intsony.
Misy fotoana miaina anaty haizina mikitroka ny tanànan’ny Port-Bergé mandritra ny 2 herinandro, tsy misy jiro, tsy misy rano. Mampanjaka ny tsy fandriampahalemana ny haizina ka lasa mitaintaina ny mponina. Manimba ny velon-tenan’ny olona ihany koa satria miankina betsaka amin’ny herinaratra ny fivelomana.
Manaitra ny fitondram-panjakana, araka izany, ny solombavambahoaka hijery vahaolana haingana sy maharitra mahakasika ny Jirama any an-toerana. Miangavy ny minisitry ny Rano sy ny minisitry ny Angovo mba hidina ifotony hamaha ny olana momba ny famatsian-jiro sy rano.
Tokony hisolo vaovao mihitsy ny motera mampiakatra rano ahafahana mamatsy ny tanàna manontolo. Azo antoka ny fisitrahan’ny vahoaka rano raha io milina io no misolo, tsy amboarina lava…
Mila jerena akaiky ihany koa ny firindran’ny fiasan’ny ekipa ao amin’ny Jirama ao Port-Bergé izay mampikatso ny fanodinana ny orinasa noho ny ady mangatsiaka hita taratra eo amin’izy ireo, raha ny fanazavana hatrany. Ny fiainam-bahoaka manontolo no lasibatra vokatr’izany.

Tatiana A

Partager sur: