Maro ny sedra nolalovana. Tsy vitsy ny dingana vita. Hankalaza ny faha-60 taona nijoroany ny Lycée privé Fitsimbinana eny Behenjy Itaosy, ao anatin’ny Cisco Atsimondrano. Ho fanamarihana izany dia mikarakara hetsika goavana ny tomponandraikitra ao amin’ny sekoly. Hosokafana amin’ny fomba ofisialy ny 6 desambra 2024 izao, amin’ny alalan’ny fotoam-pivavahana ao amin’ ny FJKM Ambanilalana Itaosy izany. Aorian’izay, hisy ny fametrahana tsangambato ho mariky ny jobily faha-60 taona sy ny diabe hataon’ireo mpianatra sy ny mpanabe miainga eo amin’ny FJKM ary hihazo ny toeram-pianarana. Maro ny olo-manan-kaja hasaina hanotrona izany fotoan-dehibe izany. Anaovan’ny komity mpikarakara ny jobily antso manokana ireo olona nahita soa tao amin’ny sekoly. Anisan’izany ireo maintimolalin’ny sekoly izay efa mielipatrana manerana ny vazantany efatra.
Raha fintinina, anisan’ny sekoly voalohany niorina teny amin’ny faritr’Itaosy ny Lycée privé Fitsimbinana. Ny 13 oktobra 1964 no nivoaka ny didim-panjakana ho fisokafany. Ecole privée d’Itaosy no anarany tamin’izany. Rakotomamonjy Eugène no nanangana azy. Tsy mora anefa ny lalana nodiavin’ny sekoly tao anatin’izay taona maro izay fa teo ny fitiavana nombam-pikirizana nentina namakivaky izany. Teo ihany koa ny fametrahana fitsipika anatiny ifampifehezana eo amin’ny mpitantana sy ny mpanabe ary ny mpianatra ka nahazoam-bokatra.
Ankoatra izay, hankalazaina miaraka amin’ny faha-60 taonan’ny Lycée privé Fitsimbinana koa ny faha-25 taona nisokafan’ny Institution de futurs élites (IFE) eo Ambatofilokana Itaosy, izay sampan’ny sekoly ihany.
Marihina fa misy ny ambaratonga rehetra ao amin’ny Lycée privé Fitsimbinana, manomboka any amin’ny « préscolaire » ka hatramin’ny kilasy famaranana.
Andry F.