SOMBIM-BAOVAO

Tazana nitaky ny fanampiana teny Ivandry, ny alakamisy lasa teo, ny lehiben’ny Federasiona malagasin’ny bisikileta. Ity farany izay mitaky tsy misy farany ny hampiana, nefa tsy mbola manisy feo amin’ny fikarakarana ny fifaninanam-pirenena. Ny taona 2025, handray ny fifaninanan’ny Nosy eto amin’ny ranomasimbe Indianina i Madagasikara.
Hotontosaina anio, eny amin’ny Ankamasoa Andralanitra, ny fifaninanana nasionaly voalohany ho an’ireo atleta manana fahasembanana ara-tsaina. Hahatratra 80 eo ny isan’ireo mpandray anjara hifaninanana amin’izany. Tsiahivina fa avy amin’ny ligin’ Analamanga, Boeny, Menabe, Vakinankaratra, Atsi­nanana, ary i Moramanga izy ireo.
Tapaka nandritra ny filankevitry ny minisitra izay notanterahina ny alarobia lasa teo, fa tsy voatazona ho tale jeneralin’ny fanatanjahantena, Rakotozafy Rosa. Tsiahivina fa tamin’ity fitantanan’ny minisitry ny Fa­na­tanjahantena sy ny tanora amin’izao fotoana izao, Marson Moustapha Abdulah, vao niala teo amin’ny toerany izy.
Hotanterahina anio sy rahampitso, eny amin’ny Kianja Elgeco Plus By pass, sy eny Iavoloha, ny andro voalohany fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pureplay Football League (PFL)”. Anisan’ny fifanandrinana tena andrasan’ny maro ny lalao hihaonan’ny CFFA Andoharanofotsy sy ny Elgeco Plus, ny alahady ho avy izao.

Partager sur: