Run Ama « Final Round » : hofantatra rahampitso izay ho tompondaka

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny Base 213 Arivo­nimamo, ny dingana farany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ta­ranja fiarakodia mandeha amin’ny halaviran-dalana 400 metatra, «Run Ama Final Round». Hofantatra amin’io fotoana io, ny anaran’ny tompondaka amin’izany. Marihina fa hiady izay ho lohany amin’ity i Herizo Boarilaza na i Bobo sy Rasolojaona Tahiana na i Jaytaxx.
Tsara ny mampahatsiahy fa mitarika amin’ity fifaninanana ity i Bobo, manana isa 92, taorian’ny dingana efatra efa vita. Faharoa manaraka azy kosa i Jaytaxx, mitana isa 71. Izay mivoaka mpandresy amin’ ity lalao farany ity, miampy 25 ny isany.
Ankoatra izay, andrasana amin’io fotoana io koa ny mpanamory hahavita 8 segondra amin’ny Run 400 m.
Hizara toy izao ny sokajin-dalao eny an-toerana, hisy ny Pro Run, ny Super Run ary ny Run.
Nilaza ny filohan’ny klioba Antananarivo Moto Auto (Ama), mpikarakara, Ranaivo Rindra, fa “hampiavaka ity hetsika ity ny fisian’ny fahitalavitra lehibe amin’ny toerana natokana hikarakarana ny fiara sy eo am-piaingana ary eny amin’ny 200 m, miampy ny haingon-tsehatra izay ha­taon’ny Tempo Gaigy”. No­tsiahivin’ny mpikarakara fa efa 15 taona izay no nitsanganan’ny klioba Ama, ary efa feno folo taona amin’ity no nikarakaran’izy ireo ny dingana faran’ny Run Mada.

Fitia Randria

Partager sur: