“Beach Volley Zone 7 Round 2” : Nanjakan’i Mayottes ny fifaninanana

Tontosa ny faran’ny herinandro teo, tany Maha­janga, ny fifaninanana “Beach Volley Zone 3”, fihodinana faharoa. Nanao pao-droa ny ekipan’i Mayottes. Fifanina­nana iraisam-pirenena nitranga ny faran’ny herinandro teo ihany koa, ny fihodinana faharoan’ny fiadiana ny tompondakan’ny Zone IV, taranja Beach volley. Fifaninanana izay natao tany Mahajanga, teny amin’ny Village Touristique. Firenena 3 no nandray anjara nandritra izany, nahitana an’i Comores, Mayottes ary i Madagasikara. Raha ny vokatra, noraofin’i Mayottes avokoa ny amboara, na ny sokajy lehilahy na ny vehivavy. Voahosotra ho tompondaka, sokajy vehivavy, ny Mayottes nahitana anniversaire Colette sy i Molaro, teo amin’ny famaranana, rehefa nandresy ny malagasy mpilalao (Andry sy Momi), tamin’ny seta 2 no ho 1. I Madagasikara ihany koa no laharana fahatelo, teo amin’ny vehivavy, tamin’ny alalan’i Emma sy i Julienne. Teo amin’ny sokajy lehilahy kosa, voahosotra ho tompondaka ihany koa i Mayottes 1 rehefa nandresy an’i Mayottes 2, tamin’ny seta 2 no ho 1.Laharana fahatelo kosa i Madagasikara, tamin’ny alalan’i Willot sy i Nico. Araka ny fantatra, nisy ny fiofanana mahakasika ny Beach volley notarihin’ny CAVB (Confédération africaine de volley-ball) any Mahajanga, nialoha ny niatrehina ny fifaninanana Beach-volley Zone 7 natao ny faran’ny herinandro teo. Ny manampahaizana, Hassan Outidrinine, no nizara ny traikefany tamin’izany. Tanjona ny hampivoarana ny haavo teknikan’ny beach-volley eto Madagasikara ary nisitraka izany ny teknisianina avy eo anivon’ ny Federasiona malagasin’ny volley-ball.

Mi.Raz

Partager sur: