Mihazakazaka izay tsy izy ny taona ka tsy ho ela dia hivalona any amin’ny varotsimifody. Mandeha mafy toy izany koa ny toe-draharaha samihafa eo amin’ny tontolon’ny fanatanjahantena. Ao ny manao erika madini-pihavy fa mahatondraka ny rano. Maka tsy taitra nefa tsy tara, mahavita zavatra. Ao kosa ireo mirodorodo toy ny fanaon’ny mahery. Manao jadojadom-pamindran’ny matanjaka. Raha ny fijery azy ivelany sy ny fandinihana azy ireo, toa hanaka-danitra mihitsy saingy diso ilay fandinika. Manao ranotrambo izy ireo, be fihavy fa mora ritra. Tsy misy zava-bita fa mihemo-dava amin’izay atao. Tsy mahatratra tanjona, tsy mahalavo mpifanandrina.
Manao lamako tsy mipoaka, dihy tsy migodona ary etrok’afo tsy midonaka. Lasan-kovavany toa haron-tabebaka fotsiny. Na efa hita mibaribary ny tsy fahombiazana, sanatria amin’izy ireny ny hiaiky izany. Miezaka manamarin-tena foana ary manilika ny tsy fahaizana amin’ny hafa. Mampalahelo fa toy ny rotsirotsy mampatory zaza fotsiny ny lokaloka nifanaovana, izay nahababo ny maro fa hay toy ny ranotrambo, be fihavy fa mora ritra.
Toy ny mpantsaka mahay mikabary e, mahay ihany fa ambanin’ny siny. Ny lohany ve no matsatso toy ny fary sa diso mpanolotsaina ka mivaralila izay rehetra atao? Mipetraka ho fanontaniana tsy misy valiny ary tsy mila valiana akory fa efa iaraha-mahatazana toy ny tafika andrefan-tanana izany.
Manao hevitry ny tsy manan-katao ka ambony fisidina fa ambany fipetraka. Tojo olana ankehitriny ka mitady hiatsampy any amin’ny hazo tsy fantatra. Aza manao toy ny ranotrambo, be fihavy fa mora ritra.
Tompondaka