Ny zoma hariva teo vao nivaly ny fangatahana fahazoan-dalana avy amin’ny masoivoho frantsay hiatrehin’i Madagasikara ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany “Mondial 2024”, taranja tsipy kanetibe, sokajy senior, olon-telo miaraka, lehilahy. Fihaonana tanterahina ao Zenith Dijon France, ny 5 ka hatramin’ny 8 desambra, ho avy izao. Nizara roa ny fiaingan’ny delegasiona malagasy, handeha hiatrika izany fihaonana an-tampony amin’ny tsipy kanetibe izany.
Nanainga voalohany ny sabotsy lasa teo ireo mpilalao efatra mirahalahy, Racle sy i Zigle ary i Tinakely miampy an’i Donald sy i Hery Morondava, mpanazatra. Omaly alahady vao lasa ny filohan’ny federasiona, Andrianirina Adrien. Araka ny vaovao, hizatra ny toe-tany sy ny toetr’andro any an-toerana izay ao anatin’ny vanim-potoan’ny ririnina ny anton’izao fiaingana mialoha izao.
Handray an-tanana ireo delegasiona malagasy ireo ny mpandrindra ny ekipam-pirenena any France, amin’ny fampiantranoana sy ny fikarakarana rehetra. Marihina fa ny alarobia 4 desambra vao horaisin’ny Federasiona iraisam-pirenena an-tanana, ny ekipam-pirenena rehetra miatrika ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany 2024 ity.
Tsiahivina fa mizara roa ny toerana hanatontosana ny fifaninanana. Misy ny ao anaty kianja mitafo fa eo koa ny ety ivelany, saingy tsy mangatsiaka loatra fa efa misy maripana hahazoana milalao.
Hisy ny fifaninanana mitifitra “tir de précision” ary eo ny lalao ho an’olon-telo miaraka amin’ity fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany ity.
Tompondaka