Tantsoroka ho an’ny tanora tantsaha : nanangana kaoperativa ny Observatoire de la jeunesse

« Manao ezaka ny Observatoire de la jeunesse amin’ny fampidirana ny tanora, tantsaha, amin’ny sehatry ny asa sy ny fandraharahana », hoy ny sekretera mpanatanterak’ity sehatra ity, Ratsida Lanto.

Tsapan’izy ireo fa hitondra fampananan’asa ho an’ny tanora ny kaoperativa. Miezaka mifampiraharaha amin’ny orinasa mpandray vokatra ny mpikarakara ahafahana mivarotra izany eto an-toerana, indrindra any ivelan’i Madagasikara, satria any no mihodina bebe kokoa ny vola. Niara-niasa tamin’ny Sam­pandraharahan’ny Firenena mikambana momba ny asa (OIT) ny Observatoire ary nahazo fiofanana teknika sy ara-panentanana, satria matetika tsy azon’ny tanora ny fiasan’ny kaoperativa tao anatin’izay roa taona nisian’ny tetikasa izay.
Avondrona ao anaty kaoperativa ny tanora, tantsaha, any ambanivohitra ary tohanana amin’ny lafiny teknika. Mi­jery ny orinasa mpandray vokatra ny Observatoire de la jeunesse. Ny famokarana sy fivarotana voamaina no sehatra nosafidiana satria tsy be mpitrandraka io karazam-bokatra io ho an’ny eto amin’ny faritr’Analamanga. Kao­perativa fito hatramin’izao no natsangana sy nanaovana tantsoroka ara-panjakana sy ara-teknika.
Rohim-pihariana feno no voakasika manomboka eo amin’ny fambolena, ny fitaterana hatrany amin’ny varotra. Efa nahitana lalam-barotra ny vokatra fa manara-maso ny kalitaon’ny vokatra sisa ny Observatoire, amin’izao fotoana izao. Andalam-panaovana fifampiraharahana izy ireo ka tombanana hiantomboka amin’ny taom-pambolena manaraka io ny tetikasa.
Misy tanora niofana tamin’ny fambolena sy fiompiana afaka mifanohana amin’ny tanora mitovy aminy ao amin’ny kaoperativa. 10 ka hatramin’ny 50 ny mpikambana ao amin’ny kaoperativa misehatra eto Analamanga sy Vakinankaratra. Tafiditra ao anatin’ny fiofanana ny fiatrehana ny ambana sy ny olana samihafa ka mila mitady vahaolana amin’ny zava-tsarotra ny mpikambana: vidim-bokatra, fiovan’ny toetr’andro…

Vonjy

Partager sur: