Ho an’ny vahoaka any Atsimo : nanohana ny Pam i Chine

Vokatry ny tohana avy amin’ny governemanta sinoa, tamin’ny alalan’ny Cidca, afaka hanohana ara-tsakafo olona 43 600 any Atsimo, manomboka amin’ity volana ity hatramin’ny volana marsa 2025, ny Fandaharanasan’ny Firenena mikambana momba ny sakafo (Pam). Afaka nividy vary milanja 1 590t ho fanampiana ho an’ny ankizy tratran’ny olana ara-tsakafo 32 000 sy fianakaviana marefo izy ireo. Mbola mipetraka ho olana eto Madagasikara ny tsy fisian’ny antoka ara-tsakafo izay mahazo vahana noho ny fahantrana sy ny fiovan’ny toetr’andro. « Ilaina ny tohana ara-tsakafo mandritra ny fotoana maharitra ahafahan’ny fianakaviana miarina sy manohy ny fivelomany », hoy ny solontenan’ny Pam mpisolo toerana, Mamadou Mbaye, nandritra ny fanomezana ny fanampiana tany Toliara. Nanambara kosa ny masoivohon’i Sina eto amintsika, i Ji Ping fa vonona hanohana sy hizara ny traikefany amin’i Madagasikara i Sina amin’ny fampitomboana ny vokatra, ahafahana miantoka ny fahavitan-tena ara-tsakafo,

Vonjy

Partager sur: