Nanatanteraka fitsidihana ireo ivontoeram-panofanana, LTP sy CFP ary ny biraom-paritry ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy fanofanana arakasa, ao Toamasina, ny minisitra mpiahy, Rasoloarisoa Marie Marcelline, ny herinandro lasa teo. Mifototra amin’ny fikarohana paikady entina manatsara ny kalitaon’ny fampianarana sy ny fanofanana izao fidinana ifotony izao, araka ny nambarany. Nitafa tamin’ireo mpampiofana sy mpandraharaha ny tenany sady nijery ihany koa ny fanatsarana ara-pampitaovana tokony hatao. Ho an’ny CFP Toamasina, hisy fanitarana ny efitrano fanofanana roa ahafahan’ny CFP mandray mpiofana bebe kokoa hatrany. Nitohy tamin’ny fitsidihana ny Centre de formation professionnelle excellence ao Analamalotra, Toamasina II, ny dia. Anisan’ireo ivontoeram-panofanana ny tetikasan’ny filohan’ny Repoblika ny CFP izay hisy sampam-panofanana mahakasika ny fambolena, ny fizahantany ary ireo sehatrasa vaovao mifanaraka amin’ny fivoarana ara- toekaren’ny faritra Atsinanana.
Ankoatra izay, nisy ny hetsika « Fijery hafa » natao tao amin’ny gymnase Soavita Toamasina, nanaovana fanofanana faobe amin’ny fanamboarana mofomamy, zaitra, taovolo. « Natao fohy ny fanofanana satria mbola mitady fivelomana koa ireo olona marefo tonga tao», hoy ny minisitra. Fanairana ny olona enti-milaza fa manatona ny vahoaka ny fiofanana ny hetsika.
Vonjy