Nanaraka fiofanana momba ny fifehezana fihetseham-po ny tanora 100, nofantenan’ny minisiteran’ny Tanora sy ny Fanatanjahantena, omaly. Tafiditra amin’ny hetsika 16 andro iadiana amin’ny herisetra mifototra amin’ny maha lahy na maha vavy izany.
Mitohy ny hetsika 16 iadiana amin’ny herisetra. Nisy ny fampiofanana tanora miisa 100 omaly, teny Mahamasina. Niompana tamin’ny fifehezana ny fihetseham-po izany. Nisy ny fanomezana toromarika mpandray anjara. Tanjona ny mba ahafantaran’izy ireo fa zava-dehibe ny fahaizana na tsy fahaizana mifehy ny fihetseham-po manoloana ny ady amin’ny fiainana andavanandro. « Manatsara na manimba ny fiainana na ny tontolo andro izy io », hoy ny mpampiofana, Andrianaivo Tsimbina.
Savaranonando ny omaly, nizarana fahalalana fototra ka raha hitohy ny fanofanana dia hiroso lalindalina kokoa amin’ ny hoavy. Natokana ho an’ny tanora misehatra amin’ny asa sosialy ny fizarana. Hanampy azy ireo hiady amin’ny lafiny maro izany. Ho afaka mijoro, hanana tanjona mazava ireo mpisitraka ny fiofanana. Afaka hifehy ny fihetseham-pony ahazoany mifehy ny asany sy mampita ny hafatra rehetra.
Efa ela!
Ankoatra ny fiofanana fototra nomen’ny mpanentana, nanome torohevitra vitsivitsy mahakasika ireo olana sedrain’ ny tanora koa ny vadin’ny filohan’ny Repoblika, Rajoelina Mialy, omaly. Marihina fa angady nanana ity fifampizarana ity ny fikambanana Fitia. Efa mpiara-niasa hatramin’ny taona 2019 ny fikambanana sy Andrianaivo Tsimbina. Vao niverina an-tanindrazana ity farany dia nanampy ny tanora tahaka izao.
Nambaran’ny mpampiofana fa tanjony ny hanampy ny tanora sy ny fanatevenana ny traikefany hisehatra amin’ny asany. Anisan’izany ireo manao ny asa sosialy sy ireo vehivavy niharan’ny herisetra. Ny fahaizana mifehy ny fihetseham-po no ahafahana miaro tena, manitsy tena nefa mijoro tsy hizaka ny vokany ka hiteraka aretim-po.
Ny dona rehetra miteraka takaitra lavareny dia avy amin’ ny tsy fahaizana mifehy ny fihetseham-po avokoa, Ilaina ny mifehy azy io na lahy na vavy, ahafahana manana fiainana mirindra, misy tanjona tratrarina amin’ny fifaliana anaty sy ny fahasambarana. « Ny olona manao spasme sy ireo tratran’ny aretina gros cœur dia vokatry ny tsy fifehezana ny fihetseham-po avokoa », araka ny nambarany.
Vonjy