Notanterahina ny herinandro lasa teo, tao Victoria Falls Zimbabwe, ny fivorian’ireo minisitra misahana ny fitantanana ny tandindon-doza sy ny loza, avy amin’ireo firenena 16 mandrafitra ny vondrona SADC. Nandray anjara i Madagasikara ary nitarika ny delegasiona ny sekretera jeneralin’ny minisiteran’ny Atitany, Razafiarison Jean Jugus. Hakana fanapahan-kevitra momba ny lohahevitra maromaro ny fihaonana. Eo ny fivoaran’ny firenena tsirairay manoloana ny fanapahan-kevitra noraisina nandritra ny fihaonan’ny filoham-pirenena sy ny filan-kevitry ny minisitry ny SADC ny volana aogositra lasa teo. Manampy izay ireo loza nitranga tamin’ity taona ity sy ireo fiantraikany, ny haha ampy ny sakafo sy ny fanjariany ary ny velon-tena ho an’ny taona 2024-2025. Nisy koa ny fivorian’ireo mpiasam-panjakana ambony eo anivon’ny SADC misahana ny fitantanana ny loza sy ny tandindon-doza. Nandray anjara tamin’izany ny Birao nasionaly malagasy misahana ny fitantanana ny tantidon-doza sy ny loza. Nidinika niaraka tamin’ireo mpiara-miombon’antoka ho fiatrehana ireo voka-dratsin’ny El Niño sy ho fiomanana amin’ny fahatongavan’ny La Niña ny mpivory.
Vonjy