INDRAY MIJERY

Sampam-panofanana maro no nahafahan’ireo tanora amam-behivavy miisa 10 323 nisoratra anarana hiatrika ny fiofanana faobe amin’ny « Fijery hafa ». Hetsika karakarain’ny minisiteran’ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa, any Toamasina. Nahandro, Informatika, Mécanique auto, Mécanique moto, Fikirakirana hazo, Zaitra ireo lalam-piofanana natolotra.
Manomana ny Comission nationale d’habilitation (CNH) ny eo anivon’ny minisiteran’ny Fampianarana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa, amin’ity herinandro ity. Manentana ireo rehetra voakasik’izany hahatontosa ny asany ara-dalàna ny minisitra mpiahy.
Raha ny tatitra nataon’ireo mpiantsehatra amin’ ny ady amin’ny VIH/Sida dia olona voafonja 1 ao anatin’ny 3 no mandray zava-mahadomelina aty afrika. Zava-doza ny fahateren’ny fonja ary tsy manaja ny zon’olombelona fara fahakeliny. Tsy ampy ihany koa ny fikarakarana ara-pahasalamana, indrindra ny fitsaboana ireo olona mitondra ny tsimokaretina VIH/Sida sy ireo efa mararin’izany aretina izany.
Efa manomboka ny fampianarana ny fety krismasy ho an’ny ankizy sy ny tanora any am-piangonana. Mila fahamailoana ihany satria be ny mpanararaotra ny ankizy eny an-dalana, rehefa sabotsy hariva, mangingina ny lalana. Tsara raha misy olona azo antoka ihany miaraka amin’izy ireny mianatra ny fetin’ny hazo krismasy.

Partager sur: