Kolontsain’ny fandraharahana : Hatomboka amin’ny CEG 23 ny tetikasa « Ankizy hihary »

Mpampianatra 22 370 no efa nahazo fiofanana hanatanteraka ny tetikasa « Ankizy hihar »y eny anivon’ny CEG 23, ety am-piandohana. Hamolavola mpianatra hamorona asa ho an’ny tenany no tanjona satria efa manana fahatokisan-tena amin’ny hoavy izy ireo.

Notanterahina, omaly, teny amin’ny CEG Na­ni­sana ny lanonana fanombohana amin’ny fomba ofisialy ny tetikasa “Ankizy hihary”, teo ambany fitarihan’ ny vadin’ny filohan’ny Repob­lika, Rajoelina Mialy, izay reny mpiahy ny tetikasa. Niarahan’ny minisiteran’ny Fanabeazam-pirenena sy ny fandaharanasa nasionaly Fihariana namolavola ny tetikasa “Ankizy hihary”. Tanjona ny hampiditra ny fampianarana amin’ny fandraharahana anatin’ny fandaharam-pampianarana ho an’ny sekoly ambaratonga faharoa CEG (6ème hatramin’ny 3ème). Manomboka amin’ity taom-pianarana ity, efa tafiditra tanteraka anaty fandaharam-pianaran’ny minisiteran’ny Fana­beazam-pirenena ny “Ankizy hihary”, ho an’ny CEG 23 manerana ny Nosy. CEG iray isaky ny faritra no hisantarana azy, Afaka telo taona, CEG 1 840 no hampiharana ny tetikasa ary afaka dimy taona, hisitraka avokoa ireo CEG rehetra manerana ny Nosy. Nohamafisin’ny minisitry ny Fanabeazam-pirenena, Sa­hondrari­malala Marie Mi­chelle, fa efa misy ireo mpampianatra hisehatra amin’ity fandaharam-pianarana ity. Hampiavaka ny tetikasa ny fampifanarahana ny fampiofanana amin’ny vokatra isam-paritra. Mifanindran-dalana amin’ny tetikasa, misy ny lalam-pampianarana hosokafana eny anivon’ny CEG, ny Parcours entrepreneunarial et développement local, natokana ho an’ireo mpianatra tsy afaka fanadinana CEPE. Tanjona ny hamolavola ny mpianatra dieny mbola any amin’ny CEG ho lasa mpandraharaha sy mpitarika.
« Mifototra amin’ny tanjona efatra ny tetikasa: ny fampivelarana manokana, ny kolontsaina fandraharahana, ny fitondran-tena mendrika ary ny firaisankina amin’ny maha olom-pirenena », hoy ny reny mpiahy ny tetikasa tamin’ny lahateniny. Manampy ny ankizy hitrandraka ny talentany hanokatra saina, hikendry lavitra ary hanangana orinasa any aoriana izany.

Vonjy

Partager sur: