Ceni : Hivoaka ny 7 desambra ny lisi-pifidianana tovana

Mbola noraisin’ny Ceni sy ny rantsamangaika eny anivon’ny distrika (CED) omaly 4 desambra ireo didy hitsivolana rehetra ahazoana misoratra anarana amin’ny lisi-pifidianana, araka ny fanazavan’ny mpanolotsaina eo anivon’ny Ceni, Fidiniavo Roger Marc, teny Alarobia, omaly. Misy ny fe-potoana fandaminana asa hahazoana mampiditra ny anaran’ireo nangataka didy hitsivolana ao anatin’ny rindrambaiko ara-kajy mirindra eny amin’ny distrika. Amin’izay koa no anontana ny kara-pifidianana hahazoan’izy ireo misitraka ny zony handatsa-bato amin’ny 11 desambra ho avy izao. Tsy sokafana ny lisi-pifidianana izay nofaranana tamin’ny 15 mey 2024, fa hampidirina ao anatin’ny lisitra tovana ireo nangataka didy hi­tsivolana. Lisitra roa no ho hita eny amin’ny biraom-pifidianana amin’ny 11 desambra, izay andro fandatsaham-bato. Araka izany, havoakan’ny Ceni mialoha, 7 desambra, avy izao ny lisi-pifidianana tovana misy an’ireo nangataka didy hitsivolana. Hatao petadrindrina eny amin’ny biraom-pifidianana izany.

R. Nd.

Partager sur: