Atrikasa mandritra ny roa andro : Hamafisina ny ady atao amin’ ny pesta eto Madagasikara

Natomboka omaly ary hifarana anio etsy amin’ny Carlton Anosy ny atrikasa, mahakasika ny andro hanaovana ny ady amin’ny fiparitahan’ny pesta eto Madagasikara. Mandray anjara ireo mpiantsehatra sy mpiara-miombon’antoka rehetra eo amin’ny tontolon’ny fahasalamana sy ny ady amin’ny aretina pesta.

Aretina tena mbola misy eto Madagasikara ny pesta ary ahitana izany koa ny firenena vitsivitsy maneran-tany. “Aretina mbola iadivana mafy sy atahorana izy io satria mety mahafaty ary mora miparitaka ihany koa”, hoy ny Dr Raberahona Mihaja, mpitsabo manokana momba ny aretina azo avy amin’ny mikraoba, eo anivon’ny hopitaly Befelatanana, raha nitafa tamin’ny mpanao gazety teny an-toerana. “Anisan’ny areti-mifindra tena mbola manahirana eto amintsika ny aretina pesta ary ahitana azy io avokoa ny distrika 45 eto Madagasikara”, hoy kosa ny Dr Andriamino Brusa, tale mi­sahana ny ady amin’ny areti-mifindra eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalam-bahoaka. Hita eto avokoa na ny pesta atoditarimo na ny pesta areti-tratra. Natokana hiresahana ny zavatra rehetra momba ny pesta ireo andro roa ireo. Indrindra ny fampahafanta­rana ny voka-pikarohana lehibe natao sy ahafahana manatsotra ny fomba fitsaboana ny pesta. Tafiditra tao anatin’ny tetikasa “Imasoy”, izay nanaovana fanadihadiana nanerana ny distrika 13 sy faritra 7 teto amin’ny Nosy izany.
Ilaina fandraisan’anjaran’ny tsirairay ny ady atao

Nambarany fa tena ilaina ny fanamafisana ny fisorohana azy io. Manana anjara toerana lehibe amin’izany, ny fahadiovana mba tsy hahatonga ny voalavo sy ny parasy ho tamana any an-trano. Eo koa ny fiarovana ny biby mihaza ireo voalavo, toy ny vorondolo sy ny bibilava. Ankoatra izay, entanina ihany koa ny vahoaka malagasy amin’ny ady amin’ny doro tanety. “Rehefa may ny tanety izay trano fonenan’ny voalavo, lasa mamonjy tanàna izy ireny, ary izay fifangaroan’ny olombelona sy ny voalavo sy ny parasy izay no mahatonga ny pesta mifindra amin’ny olombelona”, raha ny voalazan’ny Dr Andriamino Brusa. Marihina fa mandray an-tanana ny mararin’ny pesta ny minisiteran’ny Fahasala­mam-bahoaka. Maimaim­poana avokoa ny fitiliana sy ny fitsaboana ny pesta eto amin’ny Nosy.

Mino

Partager sur: