INDRAY MIJERY

70 ny antontan-taratasy fangatahana hampianatra eny amin’ny fampianarana ambony amin’ny sehatra miankina sy tsy miankina, izay hodinihin’ny vaomiera roa : Commission de Référence pour les Formations en Méde­cine (CRFM) sy ny Commission Nationale d’Habi­li­ta­tion (CNH) eny anivon’ny minisiteran’ny Fampiana­rana ambony sy ny fikarohana ara-tsiansa. Hiandraikitra ny dingana voalohany ny CRFM izay nanomboka ny 3 desambra lasa teo.
Nitsidika ny Ivotoeram-piofanana “King sejong” teto Antananarivo ny minisitry ny Asa sy ny fampananan’asa ary ny asam-panjakana sy ny masoivohon’i Corée Atsimo miasa eto Madagasikara. Mampiroborobo ny teny sy ny kolontsaina koreanina ity sekoly ambony ity. Miso­katra ho an’ny rehetra izy sady tsy mifidy sokajin-taona. Tanjona ny hijerena manokana ireo tanora hitrandraka ny lafiny arakasa any Corée.
Nanamarika ny volana novambra tao amin’ny CHU Anosiala ny fandidiana maimaimpoana ireo olona voamarina fa misy aretina katarakta. Fiaraha-miasa tamin’ ny ONG Well International tamin’ny fiantohana ny fitaovana nahafahana nanatanteraka ny fandidiana. Nisy koa ny fitsidihana ny hopitaly sy ny sampam-pitsaboana maso ary ny efitra fandidiana izay nataon’ny ekipa.
Nampahafantarin’ny ATT ireo zotra efa nisy sy ireo nasiam-panavaozana tao Tsiroanomandidy. Anisan’ izany ny zotra manodidina ny Renivohitra mampifandray ny kaominina Ambonivohitr’i Tsiroanomandidy amin’ireo Kaominina ambanivohitra manodidina. Ny zotra rezionaly mampifandray ny distrikan’i Tsiroanomandidy amin’ireo distrika hafa ato anatin’ny faritanin’Antananarivo.

Partager sur: