Kaominina ahitana trangana fanolanana matetika ny kaominina Antsampanana Brickaville RN2. Voaporofon’ny antontan-taratasin’ady telo mahakasika fanolanana izay niakatra tao amin’ny Lapan’ny fitsarana ambony misahana ny ady heloka bevava Toamasina, omaly izany.
Voalohany ny antontan-taratasin’ady laharana faha 50-Toa/24 hanenjehana an’i Todizara Eric noho izy tompon’antoka tamina fanolanana ankizivavy 8 taona ny 01 jolay 2022. Tao amin’ny fokontany Antanambao Antsampanana no nitrangan’izany. Niaiky ny heloka vitany ny voampanga nandritra ny fifandaharana teo anoloan’ny fitsarana. Nambarany fa noho ny fisotroana toaka gasy no nahatonga azy nanao io fihetsika feno habibiana io satria tsy tompon’ny tenany intsony. Tsy vitan’ny efa naolana fa mbola norahonana tamin’ny antsibe koa ny renin’ilay ankizy niharam-boina. Simba tanteraka ilay ankizivavy nandritra ny fizahana nataon’ny mpitsabo. Vokany, nilatsaka ny didy famaizana avy amin’ny mpitsara ka voaheloka an-terivozona 10 taona i Todizara Eric. Aorian’ny fivoahana ny fonja afaka 10 taona, mbola miampy dimy taona tsy mahazo manitsaka ny faritra fiaviany koa izy. Antontan-taratasin’ady faharoa laharana faha 78-Toa/24 enenjehana an’i Pierrot Célestin tao amin’io kaominina io ihany, momba ny raharaha fanolanana. Miafina amina toerana somary takotakona izy ka miandry ny firavan’ny mpianatra. Sendra ireo mpianatra nahay azy anefa izy ka niharan’ny fitsaram-bahoakan’ireo mpianatra raha nikasa hanolana. Tapaka ny ratsan-tanany satria nokaikerin’ireo mpianatra. Nilatsaka ny sazy ka voaheloka dimy taona am-ponja izy. Toy izany koa ny raharaha fahatelo saingy samy tsy ampy taona na ny mpanolana na ny voaolana. Voaheloka 30 volana an-tranomaizina ilay tovolahy tsy ampy taona nanolana ankizivavy 11 taona.
Sajo