Hotontosaina manomboka rahampitso hatramin’ny alahady maraina, eny amin’ny Gymnase Ankoay Ankorondrano, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja tolona. Marihina fa tsy misy ny sokajy Séniors amin’ity fifanintsanana iraisam-pirenena ity, fa ny zandriny U17 sy U20 ary U23 ihany no hifanintsanana sy omena sehatra amin’izany. Mahatratra 160 mahery eo ny atleta tonga hifanintsana eny an-toerana, raha ny vaovao voaray. Avy amin’ireo ligy dimy izay mandrafitra ny Federasiona izy ireo. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Boeny ary Ihorombe. Tsara ny mampahafantatra fa natao hanomanana ireo atleta vaovao ity lalao ity, sady tafiditra anatin’ny lisitra izay handrafitra ny ekipa nasionaly, mpilalao tompondaka amin’ity. Ankoatra izay, misy ihany koa ny hetsika “lutte à la ceinture”.
Nilaza moa ny eo anivon’ny Federasiona malagasin’ny taranja tolona, fa mbola hisy ny fifanintsanana ho an’ireo sokajy zokiny Séniors sy « vétérants » saingy mila miandry ny fandaminana apetraka ny rehetra.
Fitia Randria