Mbola manakoako hatramin’izao ny nahazoan’ny ekipa malagasy Ankoay, ny amboaran’i Afrika, taranja basikety 3×3, notanterahina ny herinandro lasa teo. Fandresena izay nisoratra ho tantara ho an’i Madagasikara sy ny tontolon’ny taranja basikety. Nitondra anjara biriky goavana ka nahazoana ny fandresena ihany koa ny mpanohana, anisan’izany ny Star, tamin’ny alalan’ny XXL, izay nanambara fa afapo tamin’ny ezaka nataon’ny Ankoay ary mbola vonona ny hanohana ny basikety malagasy hatrany. “Mirehareha ny marika XXL tamin’ity fandresena roa sosona ity”, hoy ny nambaran-dRakotobe Mickael, mpitantana ny marika, omaly, nandritra ny fandraisana ny Ankoay, teny amin’ny Star Andraharo. Ankoatra ny fiarahabana sy fandraisana, notoloran’ny XXL mari-pankasitrahana sy vola ireo mpilalao, mpanazatra, ny komity mpikarakara ary ny staff teknika, izay antoky ny fahombiazana azon’ny Ankoay.
Nanamafy, tetsy ankilany, ny filohan’ny komity mpikarakara, jeneraly Zafisambo Ruphin, fa tena antoka iray lehibe nahatontosa iny fifaninanana iny ny XXL satria namatsy rano. Rano no fototry ny aina, araka ny nambarany, ka zava-dehibe ny naneken’ny Star hanohana ny federasiona sy ireo mpilalao, nanomboka tany amin’ny fanazaran-tena mandra-pahatapitry ny fifaninanana. Mbola manantena fiaraha-miasa hatrany ny federasiona, indrindra amin’ny fiatrehan’ny ekipa malagasy ny fiadiana ny amboara maneran-tany, taranja basikety 3×3, hatao any Mongolie, ny taona 2025.
Mi.Raz