Nitohy tetsy amin’ny Coliseum Antsonjombe ny fizarana ny tohana avy amin’ny fitondram-panjakana ao anatin’ilay tetikasa “Mifampitsimbina”. Ireo mponina ao anatin’ny boriborintany fahadimy indray no nahazo ny anjarany, omaly. Vary iray gony, menaka 1l, ronono mandry, paty 6 ary sardine 6 boaty no azon’ny tokantrano tsirairay.
Vao mangirandratsy dia efa nitandahatra ny olona teny an-toerana nitondra ny karinem-pokontany haka ny anjarany. Entina iatrehana ny fetin’ ny Krismasy sy ny faran’ny taona ireo tohana nomena ireo mba hahafahan’ny rehetra mifaly, araka ny nambaran’ ny filoham-pirenena, Rajoelina Andry, teny an-toerana. Nampianarina nizara amin’ny manodidina azy ihany koa ireo olona nisitraka ny fanampiana satria natao hifanohanana ny fiainana.
Manomboka izao, tsy ho diso anjara amin’ny fanampiana omen’ny fitondram-panjakana intsony ireo manana ny karinem-pokontany vaovao, araka ny fanazavan’ny filoham-pirenena hatrany. Hitohy amin’ireo boriborintany hafa ny hetsika fizarana mandra-pahatonga ny faran’ny taona sy ny taom-baovao, raha ny fampanantenany.
Marihina fa teny amin’ny ANS Ampefiloha no nanatanterahana ny lanonana ofisialy nisantarana ny fizarana. Ankohonana manodidina ny 18 000 no hisitraka izany eto an-dRenivohitra.
Tatiana A