FIGN : Nahavita ny fiofanany ny vondrona miady amin’ny dahalo

Notontosaina tany Langaina, omaly, ny famaranana ny fiofanan’ny Vondrona manokana miady amin’ny asan-dahalo, andiany faha 36 (Usad XXXVI).

Nanaraka fiofanana tao amin’ny ivontoeram-piofanan’ny zandarimariam-pirenena, ao Ambato­lampy, izy ireo nanomboka ny 12 novambra 2024 teo. Nanomboka indray kosa ny fanofanana ireo hery manokana (force spéciale) naorina ao amin’ny Hery vonjy taitran’ny zandarimariam-pirenena (FIGN). Dia an-tongotra niainga avy ao amin’ny Toby lietnà-kolonely Mohajy Andriamaha­solo Fort-Duchesne hatrany Langaina no namaranana ny fiofanana. Narahina fampiharana ny taranja norantovina tao Am­batolampy izany. No­faranana tamin’ny fanazarana mitifitra nataon’ireo Usad XXXVI.

Nanamarika ity hetsika ity koa ny fandraisan’ireo zandary voafantina avy eo amin’ny FIGN handrafitra ny Hery manokana. Araka ny toromarika avy amin’ny kaomandin’ny FIGN, ny Kly Bory Alain Marius Haryman, izay no ni­fidianana ireo zandary sy nampijoroana ny Hery manokana eo anivon’ny FIGN. Antony, mba hiomanana sy tsy ho tampohan’ny mety ho ambana eto amin’ny firenena. Nitarika ny hetsika niaraka tamin’ireo manamboninahitra ambony sy manamboninahitra ary ireo manamboninahitra lefitra mpampiofana, ny kaomandin’ny vondron-kery mpilatsaka an’elonaina sy an­gidimby, ny lietnà kolonely Rakotondranaivo Rojosoa. Nofanina mba hanamafisana ny traikefa efa ananany eo am-panatanterahana ny asa­ny eny an-kianja ireto zandary ireto. Eo koa ny fisakanana ireo ambana amin’ny trangana tsy fandriampahalemana, ary indrindra ny fampiharana ny vinan’ny zandarimariam-pirenena (MAFI) mba hananan’ny vahoaka filaminana.

J.C

Partager sur: