Judo – “Female Training” : Hizara traikefa i Laura sy i Roumaica

Hanatanteraka fifampizarana sy fanazaran-tena ho an’ny judokas malagasy, vehivavy, Rasoanaivo Razafy Laura, Malagasy mpikatroka sangany eto Madagasikara sy manerana an’i Afrika. Ny alatsinainy 23 desambra izao, eny amin’ny Dojo Playbox Analamahitsy, no hanaovana ity fanazaran-tena mitondra ny anarana hoe “Female training” ity. Hampiavaka io fotoana io ny fampandraisana anjara an’i Roumaica, tompondakan’i Afrika farany teo, amin’ny fifampizarana. Hiaraka hizara traikefa amin’ireo judokas, vehivavy, sokajy Cadettes, Juniors ary Seniors izany, i Laura sy i Roumaica, izay samy manana ny “style” sy teknikany rehefa eny ambony tatami. Tsiahivina, efa miisa 23 hatramin’ny omaly no nisoratra anarana hanaraka ity fanazaran-tena ity ary mbola mitohy ny fisoratana anarana. Raha ny fandaharam-potoana, hizara roa ny fifampizarana. Ny maraina amin’ny 9 ora hatramin’ny 11ora sy sasany no hanaovana ny fampianarana judo ranoiray ary ny hariva amin’ny 2 ora hatramin’ny 4 ora kosa no hizarana mahakasika ny fanomanan-tena mampiavaka ny Judo.

Mi.Raz

Partager sur: