Saron’ny polisim-pirenena, ny zoma teo, ny ramatoa iray mpivarotra rongony mahery vaika “rôrô”, etsy Antohomadinika. Isan’ireo mpamatsy io zava-mahadomelina io eny an-toerana ny tenany ka nanaovan’ny polisy bemidina avy hatrany. Tratra tao amin’ilay trano voalaza tokoa izy ary mbola nahitana fonosana “rôrô” 30 isa. Miandahy miambavy ny mpanjifa ity zava-mahadomelina ity saingy ny lehilahy no maro an’isa amin’izany. Mahalafo dimy fonosana isan’andro ilay ramatoa 47 taona mivarotra izany, araka ny filazany. Vidiany 90.000Ar ambongadiny ireo zava-mahadomelina ka amidiny tsikelikely indray avy eo.
Ankoatra ity, lehilahy iray hafa koa no tra-tehaky ny polisy teny Amboanjobe , ny andron’io ihany, noho ny fivarotrana rongony. Mbola isan’ireo mpamatsy rongony sy mivarotra izany eny amin’iny faritra iny koa izy. Vokany, tsy niandry ela ny tompon’andraikitra fa nitady azy. Araka izany, sarona niaraka tamin’ireo rongony 87 fonosana ny lehilahy. Fantatra tamin’izay fa amidiny 5.000Ar ny fonosana iray ary mahazo hatramin’ny 40.000Ar isan’andro mihitsy izy, araka ny fanadihadiana. Mbola mihoatra noho izay kosa raha tsara ny tsena. “Olona mandalo no ividianany ireo entana ireo indray miaraka ka tsinjarainy indray izany avy eo”, hoy hatrany ny polisim-pirenena.
Henintsoa Hani