INDRAY MIJERY

Nandefa lakana haingam-pandeha roa, ny iray avy any Sofia ary ny iray avy aty Antananarivo, ho any Ambilobe ny BNGRC hitatitr’olona. “Efa nisokatra ny deviation, passage à gué, ao amin’ny renirano Mahavavy, ahafahan’ireo fiara sy olona miampita”, hoy ny tale jeneralin’ny BNGRC.
“Roa ka hatramin’ny dimy ny rivodoza mety handalo eto Madagasikara”, hoy ny Foibe famantarana ny toetry ny andro, amin’ity fotoam-pahavaratra ity ary ho mafy ny tanjany. Roa volana lasa no efa nametraka sakafo sy fitaovana ilaina amin’ny toerana saro-dalana, toy ny any Maroantsetra, Nosy Varika, ny tomponandraikitra. Ny Fonds national de contingence no ampiasaina amin’ny « prépositionnement».
Taorian’ny fidinana ifotony notanterahin’ny minisitry ny Fampianarana teknika sy ny fanofanana arakasa tao amin’ny Ecole du monde Besely Mahajanga, tonga nitsidika ny minisitra ny filohan’ny sekoly, Charles Gassot. Rafi-pampianarana hanomezana fahalalana ireo tanora ao amin’ny faritra manodidina ny fokontanin’i Besely ny sekoly izay efa an-dalam-panorenana ny fotodrafitrasa.

Partager sur: