Nanatanteraka diabe niainga teo amin’ny hopitaly HJRA Ampefiloha hatreny amin’ny Kianjaben’i Mahamasina ny fikambanana SPSM, omaly. Fikambanana ivondronan’ny mpiasa rehetra misehatra amin’ny fahasalamana eo anivon’ny minisiteran’ny Fahasalamam-bahoaka. Nisy ihany koa ny fanolorana amboara ireo fikambanana nandresy tamin’ny lalao fanatanjahantena nokarakarain’izy ireo teto Analamanga. Nanolotra ny loka ho azy ireo, tamin’izany, ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely. Nandrombaka ny laharana voalohany tamin’ny fifaninana ny ekipa eo anivon’ny CHU JRA Ampefiloha. Tanjona ny hampiraisana sy hampivondronana ireo mpiasa rehetra eto amin’ny Nosy. “Nisy ny fikorontanana sy tsy dia nilamina foana tany anaty sehatrasa sy departemanta tsirairay, tany taloha. Natsangana, araka izany, ity fikambanana ity mba handamina sy hampivondrona ireo mpiasan’ny fahasalamana rehetra », hoy ny minisitry ny Fahasalamam-bahoaka, Randriamanantany Zely.
Fametrahana ireo birao ho an’Analamanga
Ankoatra izay, tontosa omaly ihany koa ny fametrahana ny birao rezionalin’ny SPSM Analamanga. Voafidy ho filoha mpitantana izany, ny Dr Hasinan avy eto Analamanga. Tonga nanatrika ireo hetsika rehetra ireo ny avy amin’ny faritra 23 manerana ny Nosy. Ao anatin’ny fikarakarana ny fihaonamben’ny mpiasan’ny fahasalamana hotanterahina any Toamasina ihany koa izy ireo, amin’izao fotoana izao.
Mino