Nasiam-panavaozana ny lalàna lah-2014-040, ny 20 janoary 2014, momba ny ady amin’ny famarinana olombelona. Nandinika izany ny biraom-pirenena misahana ny ady amin’ny famarinana olona, ny volana novambra teo.
Ampahany amin’ny ezaka ataon’ny BNLTEH ho fanamafisana ny ady iarahana amin’ny fandraisan’anjaran’ireo minisitera sy ny sampandraharaha isan-tsokajiny voakasika ihany no vita fa mbola hisy ny tohiny sy fanamafisana izany.
Nodinihina nandritra ny atrikasa ny volavolan-dalàna vaovao izay entina hanamafisana ny fiarovana ireo niharan’ny famarinana olombelona ary koa ahafahana manenjika amin’ny fomba mahomby ireo mpanao heloka mifandraika amin’izany.
Mbola marefo ny fiarovana ireo olona niharan’ny famarinana olombelona eto amintsika na dia eo aza ny ezaka samihafa ifarimbonan’ny mpiantsehatra. Maro ny antony toy ny tery sy ny fandrahonana, raha ny nambaran’ny mpiantsehatra noresahina.
Izany indrindra no anton’ny fanavaozana ny lalàna hatanjaka sy ho tena fiarovana ireo niharan’ny famarinana mivantana na ankolaka. Miandrandra famaizana ireo tambajotra na olon-tsotra manao izany asa mamohehitra izany ihany koa ny rehetra.
Tatiana A