Hanatanteraka fanompoam-pivavahana ao amin’ny FJKM Amparibe Famonjena, ny alahady izao, ny tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara.
Hanamarika ny fandraisan’ izy ireo anjara amin’ny Andro maneran-tany hiadiana amin’ny kolikoly isaky ny 9 desambra ny hetsika.
Misy mpikambana anarivony manerana an’i Madagasikara, izay maneho ny fahavononany hiady amin’ity loza ity, amin’ny alalan’ny fijoroana amin’ny finoana kristianina.
Hisy ny fanekena hataon’ ireo mpikambana vaovao sy ny fanavaozam-panekena ho an’ny mpikambana tranainy rahampitso, mandritra ny fanompoam-pivavahana
Marihina fa ny mpitandrina Razafiarison Emilien no nanangana ny tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara.
Tanjona ny hiady amin’ny fahantrana vokatry ny kolikoly lalim-paka miseholany eny amin’ny fiarahamonina sy eo anivon’ny asam-bahoaka sy asam-panjakana, indrindra eo amin’ny sehatra sosialy sy toekarena. Ahitana ny sokajin’olona rehetra ny mpikambana, ary tsy hanavahana finoana na fiangonana na saranga sosialy.
Ny filankevitry ny fito no mitarika sy mandrindra ny tambajotran’ny kristianina malagasy miady amin’ny kolikoly sy ny fahalovana eto Madagasikara .
Tatiana A