Baolina kitra : Mitongilahila ny fifaninanam-pirenena

Hotanterahina rahampitso, eny amin’ny kianja Iavoloha sy Mahajanga ny tohin’ny andro voalohany amin’ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, taranja baolina kitra, “Pu­replay Football League (PFL)”. Mitongilahila ny fifaninanam-pirenena amin’izao fotoana izao. Fantatra, omaly, mantsy fa tsy hiatrika ity fifaninanam-pirenena ity ny Zanakala FC raha tsy miverina toy ny teo aloha ny firafitr’izany.
“Mangataka amin’ny Federasiona malagasin’ny baolina kitra (FMF) izahay mba hamerenana ny fifanintsanana toy ny tamin’ny voalohany. Raha miverina izany, vonona ny handray anjara ny Zanakala FC”, hoy ny mpitantana iray ao amin’ny klioban’ny Zanakala FC. Lasa klioba roa izany sisa no mifanandrina ao amin’ny kaonferansy atsimo. Ankoatra azy ireo, tsy mety hilalao ihany koa ny 3FB Toliara.
Atsy amin’ny avaratra kosa, mitovy amin’izay ihany, raha tsy misy ny fiovana farany. Ny ekipan’ny Fosa Juniors Boeny sy ny Tsaramandroso formation Boeny ihany no mifandona any an-toerana. Tsy mbola naneho ny fahavononany handray anjara ny Asa Diana sy ny FC Theo. Andrasana izay fanapahan-kevitra horaisin’ny FMF sy ny fikambanan’ny klioba elita eto Madagasikara (CFEM), manoloana izany.

F.R

Partager sur: