Tsipy kanetibe – «Mondial 2024»: Tsy nahatohitra an’i Italie i Madagasikara

Fandresena telo sy faharesena iray no azon’i Madaga­sikara teo amin’ny fifanintsanana ho an’ny fiadiana ny ho tompondaka maneran-tany «Mondial 2024 », taranja tsipy kanetibe. Fifaninanana tanterahina any Dijon Frantsa. Omaly, resin’i Italie tamin’ny isa mazava 13 no ho 4, ny ekipam-pirenena malagasy. Ny Malagasy anefa no nitarika isa voalohany, 3 no ho 0. Taorian’ io, nanaovan’ny Italianina to­toafo ny fitifirana ny kanetiben’ ny Malagasy. Tsy nisy niainana mihitsy ny tifitra nataon-dry Rizzi, tamin’ny alalan’ny “demi carreau” sy ny “carreau”. Tsy tafiditra tao anaty lalao mihitsy i Racle, ka voatery nosoloina an’i Donald, rehefa nitarika 9 no ho 3 ry zareo Italianina. Na izany aza, mbola nahazo isa 2 indray i Italie ka lasa 11 no ho 3. Taorian’io, nahazo isa 1 ny Malagasy ka lasa 11 no ho 4. Tsy nihetsika teo intsony anefa ny Malagasy. Tsy nahala kanetibe intsony koa i Zigle ka nahazo aina ny mpifanandrina. Voatery nameno ny fa­kana isa sy tifitra i Tianakely, anisan’ny nisongadina tanteraka tao anatin’ny lalao.
Raha tsiahivina, nandavo an’i Ukraine, 1 no ho 13, ny Ma­la­gasy, teo amin’ny lalao voalohany ary nandresy an’i Tahiti, tamin’ny isa 13 no ho 11. Avy eo, nanilika an’i Tuni­sie, 13 no ho 4. Ankoatra izay, tafita amin’ny manasa-dalana i Zigle eo amin’ny “tirs de précision” rehefa nandresy ilay teratany arzantina, i Guevara Nestor Omar, tamin’ny isa 47 no ho 24.

Tompondaka

Partager sur: