Fahalasan’ny Papa Benoît XVI : naneho fiaraha-miory ny mpitondra sy mpanao politika

Naneho ny fiaraha-mi­om­bona alahelo amin’ireo mpino katolika eto Madaga­sikara sy ny maneran-tany ny filoha Rajoelina Andry. “Ta­min’ala­helo lehibe tokoa no nandrenesako fa nantsoin’ny Ray hody any aminy ny Papa Benoît XVI. Handry am-piadanana anie ny fanahiny”, hoy izy.
Miondrika am-panajana manoloana ny fahalasanan’ny Papa Ray Masina, i Benoît XVI koa ny filoha nasionalin’ny MMM, Andria­nainari­velo Hajo. Nampionona ireo mpino ary nirary fiononana feno amin’ireo rehetra nahita soa taminy. “Anisan’izany ny teo amin’ny lafiny ara-panahy sy teo amin’ny lafiny maha-olona”, hoy izy.
Anisan’ireo nobeazin’ny pretra sy ny frera teo anivon’ny sekoly Fo Masin’i Jesoa koa ny filoha nasionalin’ny Monima, Monja Roindefo ka nampita ny fiaraha-miory. “Namolavola ny tena teo amin’ny lafiny fanabeazana izany ka anehoana ny fiaraha-miombona alahelo ho an’ny fanjakan’i Vatikana sy ireo Raiamandreny am-panahy katolika rehetra”, hoy izy.
Tsiahivina fa anisan’ny hisolo tena ny fiangonana katolika eto amintsika hanatrika ny fandevenana an’i Benoît XVI any Roma, ny alakamisy izao, ny filohan’ny Fivondronamben’ny eve­ka (Fem), ny Mgr Rahari­lam­boniaina Fabien.

Synèse R.

Partager sur: