Lomano-Afrika Zone IV: Nandrombaka medaly 6 ny Malagasy

Fahombiazana no azon’ny Malagasy mpilomano, niatrika ny fiadiana ny tompondakan’i Afrika, zone IV, taranja lomano. Fifaninanana natao ny 4 hatramin’ny 9 desambra, tany Namibie. Medaly 6 no noraofin’ny solontena malagasy, ka volamena ny roa tamin’ireo. Ho an’i Glorio Precious, medaly volamena iray teo amin’ny 100m Brasse sy medaly alimo iray teo amin’ny 200m Nage Libre no azony. Nahazo medaly volamena iray, teo amin’ny 50 m dos ihany koa, Rakotobe Tendry Tiavina, omaly, ankoatra ilay medaly alimo efa azony, teo amin’ny 50m papillon, ny zoma lasa teo. Namiratra ihany koa Rakotonanahary Océane, izay nahazo medaly volafotsy teo amin’ny 50 m papillon sy medaly alimo teo amin’ny 50 m brasse. Ankoatra ireo, samy nanao izay fara heriny avokoa ny solontena malagasy rehetra. Anisan’izany, Ramiaka­trarivo Francky, izay nahazo ny laharana fahefatra, teo amin’ny 50m dos ary laharana fahadimy teo amin’ny 50m Nage libre. Tsiahivina fa 10 mianadahy no nisolo tena an’i Madagasikara tamin’ity fifaninanana ity ary izao nitondra medaly 6 nody izao.

Mi.Raz

Partager sur: