Notontosaina teny amin’ny IFM Analakely, ny zoma lasa teo, ny fivoriana ara-potoan’ny Federasiona malagasin’ny tolona (FML), izay tarihin-dRaveloson Mamitiana, filohan’ny FML. Nambaran’ity lehiben’ny rafitra federaly ity fa nankatoavin’ireo mpitantana ny ligy dimy mandrafitra ny federasiona, ny tatitra ara-bola sy ny teknika ary ny ara-moraly, izay nataon’ny federasiona. Anisan’izany ny ligin’Analamanga, Matsiatra Ambony, Atsinanana, Boeny ary Ihorombe. Ankoatra izay, tanteraka teny amin’ny Gymnase Ankorondrano, ny sabotsy teo, ny fiadiana ny ho tompondakan’i Madagasikara, ho an’ny sokajy zandriny, U17 sy U20 ary U23.
Nahatratra 200 mahery teo ny mpandray anjara tamin’ity hetsika ity. Tsara ny mampahafantatra fa politika apetraky ny Federasiona, amin’ity, ny hanomana ireo atleta vaovao ary tafiditra anatin’ny lisitra handrafitra ny ekipa nasionaly, mpilalao tompondaka amin’ity.
Araka ny nambaran’ny mpitantana ny FML, teny an-toerana, maro ny fifanintsanana iraisam-pirenena handraisan’i Madagasikara anjara, anisan’izany ny fiadiana ny ho tompondakan’i Afrika, any Maroc, ny faran’ny volana marsa 2025. Manao antso amin’ny minisitra mpiahy izy mba hanampy ny federasiona, satria voninahi-pirenena no harovana.
Fitia Randria