Fiatrehana ny fetin’ny krismasy : hitohy any amin’ny faritra ny Tsinjo Noely

Mahavelombolo ireo tokantrano nisitraka ny tetikasa “Mifampitsimbina” ireo tohana ara-tsosialy voarainy. Fantatra izao fa hahazo ny anjarany ihany koa, amin’ny alalan’ny tsinjo Noely, ny any amin’ny renivohi-paritany.

Nitohy teny amin’ny Kianja mitafon’Anko­ron­drano ny fizarana ny tohana ara-tsosialy ao anatin’ny tetikasa “Mifampitsim­bina” izay ataon’ny fanjakana ary tanterahin’ny minisiteran’ny Mponina. Tokantrano 4 150, avy amin’ny boriborintany fah-3 sy faha-6, no nisitraka izany.
Tetsy andaniny, nilaza ny Filoham-pirenena fa hatomboka tsy ho ela ihany koa ny fandaharanasa ahafahan’ny to­kantrano tsirairay manana anto-pivelomana izay hatomboka amin’ny fiofanana arakasa eny anivon’ny boriborintany
Nilaza ny minisitry ny Mponina, Razafinjato Aurélie, fa ao anatin’ny andry fototra voalohany izay fampiroboroboana ny maha olona izao te­tikasa “Mifampitsimbina” izao. Manodidina ny 2 hetsy no hisitraka izany eto Antananarivo sy ny manodidina. 10% no mi­sitraka izany mba hahafahana mamaha olana ireo tokantrano marefo.
Hisy lamina mahakasika ny fizarana satria tokony ha­hazo tapakila miaraka amin’ ny karnem-pokontany ny fahafahana misitraka ny tohana ara-tsosialy.
Tohizin’ny tetikasa “Tsim­bina”, fanampiana ahazoana 1 hetsy Ar indroa miantaona amin’ireo tokantrano marefo mahafeno fepetra ny tetikasa fiahiana ara-tsosialy.
Efa mandeha ny fitsidihana tokantrano amin’ny fanamarinana ny lisitry ny mpisitraka.
Nanentana ny rehetra ny minisitra Razafinjato Aurélie mba tsy ho voakorontana, sy hanaraka fandaminana satria indraindray misy feo miely mahatonga savorovoro.
Ho an’ny any amin’ny renivohi-paritany dia hisy ny tohana Tsinjo Noely hiatrehana ny fetin’ny Krismasy. Efa mandamina ny tomponandraikitra.
Amin’izao ankatoky ny fifidianana izao koa, nanentana ny rehetra havitrika amin’ny fandehanana mifidy ny minisitra mba hamaritra ny hoavy isaky ny tanàna, kaominina eny ifotony.

Tatiana A

Partager sur: